Hotanterahina eny amin’ny Circuit bout de piste Ivato, ny sabotsy 26 sy alahady 27 avrily ho avy izao, ny «Slalom Ranovisy». Fifaninanana karakarain’ny klioba TMF izay dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Fihaonana misantatra ny fandaharam-potoanan’ny Federation sport automobile malagasy (FSAM), tarihin’ny filoha vaovao Rabekoto Jeannot.
Hiavaka ity slalom ity satria hampiasana ny «chronos» vaovao, hialana amin’ny fisian’ny «faux départ». Hisy dingana roa amin’ny piste 2 samihafa ataon’ny mpanamory. Alefa mivantana ny fe-potoanan’izy ireo. Mpanamory 40 no andrasana amin’ity ka anisan’ireo handray anjara i Mika sy i Faniry ao amin’ny klioba TMF. «Hanomananay ny taom-pilalaovana amin’ny rallye sy ny fifaninanana hataonay any am-pitandranomasina ity», hoy i Mika. Araka izany, hitondra ny fiara Peugeot 208 i Faniry, raha ny Peugeot 206 ny an’i Mika. Ankoatra azy mirahalahy, handray anjara koa ilay vehivavy mpanamory, tompondaka tamin’ny taon-dasa. Nohararaotin’izy mirahalahy ny nanentana ireo tanora maniry hiditra ao amin’ny klioba TMF Rallye. Mandra-piandry izany, hifarana amin’ny alakamisy 24 avrily ny fisoratana anarana. «Hahita fahafinaretana tokoa ny mpijery amin’ity satria ny sangany no hifaninana», hoy Ramahandry Thierry, mpitantana eo anivon’ny TMF Rallye.
Torcelin