Madio ny tanàna amin’izao? Milamina, tsy misy tabataba … Mahate honina fa tsy hoe lalovana fotsiny. Handray vahiny! Zava-dehibe eo amin’ny lafiny politika, toekarena, sosialy… Eny, na ny mampiavaka ny Malagasy amin’ny fandraisana vahiny ihany aza, tsy azo atao ambanin-javatra na ambin-javatra. Izay no nihetsehana sy nifanomezan-tanana. Vidin-kaja, vidim-bonahitra. Izany eo ihany, fa zava-dehibe koa ny vokatra aorian’ny hetsika. Hanao ahoana? Ho hita eo… Fatra-panaja vahiny ny Malagasy. Ahoana kosa ny eo amin’ny tena samy tena? Tsy ilaozan’izay mamalan-kira, manaratsy tena… Dia mandeha avokoa io karazana fanakianana sy fanakiviana rehetra io amin’ny sasany: tsy mijery afa-tsy lafiratsin-javatra, tsy mahita lavitra… Lasa mpifosa ve, ohatra, vao ndeha hifafa trano?
Amin’izany, toy ny vahiny eo amin’ny taniny ny Malagasy? Rehefa misy vahiny, hono, vao mihetsika: manadio, mandamina… Toy ny hoe ho an’ny vahiny iny izay atao amin’izany. Eny, na fantatra izao aza fa ny vahiny mandalo, ny atao mitoetra sy maharitra. Tsy tsara manana sy miaina amin’ny tanàna mendrika ve ny Malagasy? Madio, milamina, mandroso… Akana lesona ny fahatongavana sy fandraisana vahiny: isan’andro, mandavantaona, ny fanadiovana sy fandaminana. Ny vahiny mandalo aza hajaina sy omem-boninahitra, vao mainka ny tena tompony sy mitoetra maharitra? Tonga vahiny! Mba tsy ho vahiny an-tanin’ny tena, ka ny hafa karakaraina fa ny tena manaratsy tena.
Mahay mandray vahiny ny Malagasy? Fa tsy mahay mandray tena na mifandray… Sao izay no anisan’ny tsy mampandroso hatramin’izay? Mahay ho an’ny hafa fa tsy mahay ho an’ny tena. Tonga vahiny lava eo amin’ny taniny? Na tsy tompon’ny tenany, tsy tompon’ny taniny… Fieritreritra izany amin’izao raha tena te handroso…
R. Nd.