Nitokona sy nidina an-dalambe, omaly, ireo mpianatra eo anivon’ny Oniversiten’i Maninday Toliara. Nilanja sorabaventy sy nandoro kodiarana noho ny fahatapahan’ny jiro ao amin’ny Campus, efa nandritra ny 5 andro, izy ireo. Teo koa ny tsy fahazoana vatsim-pianarana sy fampitaovana efa ho enim-bolana. Tanjon’ireo mpianatra ny hanairana ireo tomponandraikitra manoloana ny olana iainan’izy ireo. “Mahatsiaro ho tsy misy mpiahy sy atao zanak’ikala hafa ireo mpianatra raha mitaha amin’ny Oniversite hafa”, hoy ireo mpianatra nanao ny fitokonana. Manao antso avo amin’ny mpitondra fanajakana, noho izany, izy ireo mba hamahana ny olana mahazo azy ireo. Manome 24 ora izy ireo amin’izany. Anisan’izany ny jiro ao amin’ny Campus sy hamoahana tsy misy hatak’andro ny vatsim-pianarana ary ny fampitaovana.
Na izany aza, nilaza ny tomponandraikitra fa vata mpanova herinaratra simba ny antony tsy fisian-jiro ao amin’ny campus Maninday. Efa mitady vahaolana vonjimaika ny tomponandraikitra. Hihamafy ny hetsika fitakiana raha toa ka tsy mivaha ao anatin’ny fe-potoana nomen’ny mpianatra ireo fangatahana rehetra.
Mino