Volley-Mada U18 : Tompon’amboara ny ASI sy ny GNVB

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny amboaran’i Ma­dagasikara,taranja volley, ho an’ny sokajy latsaky ny 18 taona. Voahosotra ho tompon’amboara nandritra izany, ny ekipan’ny ASI, teo amin’ny sokajy lehilahy, rehefa nandresy ny GNVB tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-14/25-16/25-15). Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, nisalotra ny anaram-boninahitra ny ekipan’ny GNVB rehefa nandavo ny ekipan’ny MVBC tamin’ny lalao famaranana, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-17/25-21/25-21). Ankoatra ny U18, nisy ihany koa ny fifaninanana teo amin’ny sokajy U14, izay tena nahafahana nijery ireo taninketsan’ny taranja volley-ball malagasy. Nambaran’ny filohan’ny federasionina, Raharimalala Léa, fa natomboka ta­min’ny sokajy zandriny ny fifaninanana mba hahafahana mitily izay hiatrika ny CJSOI hatao any Seychelles. Vehivavy no nosafidian’ny FMVB hiatrika ny CJSOI amin’ity satria hita fa manana mpilalao zandriny, tsara sy mahay, ny Malagasy. Teo amin’ny sokajy U14, nahazo fandresena ny ekipan’ny MVBC Boeny.

Mi.Raz

Partager sur: