Nankalazaina, omaly, ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny boky ». Ilaina ny fankalazana fa efa nametraka vina sy tombanezaka ve isika mba ho mari-pandrefesana ny dingana vita ? hoy i Rado Ramaherison, mpanoratra.
Gazety Taratra (*) : Ny lanja omen’ny Malagasy ny boky amin’izao vanim-potoana izao ?
Rado Ramaherison (-) : Mihodina tahaka ny tandrimo ! Ny mpisehatra (mpanoratra, mpanonta, mpivarotra…) tsy afa-manoatra noho ny zava-misy. Tahaka izany koa ny mpanjifa, satria, tsy manana fahefa-mividy intsony. Tonga ho azy ny fahalainana eo amin’ny roa tonta. Izaho tsy mino hoe ny Malagasy no tsy tia boky. Raha hatao bango tokana, sahirana tsy misy ivelarana intsony ny tontolon’ny boky, raha ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy.
* … Izany hoe, tsy mandroso araka ny tokony ho izy izany ny tontolon’ny boky eto Madagasikara ?
– Tsy nanana vina sady tsy nametraka maridrefy isika dia mieritreritra fa mandroso. Efa tany amin’ny taona 1995 ny Unesco no nampahafantatra io andro maneran-tany ho an’ny boky io. Nametraka boky firy tany amin’ny sekoly firy, ohatra, ny fanjakana ? Raha namoaka boky 10000 isa ve isika ka nahalafo 100, dia mieritreritra fa mandroso ? Efa nizara boky 1000000 isa ho an’ny mpianatra ve ny fanjakana na ny sampandraharaha afaka manao izany ? Raha eny, tonga tany am-pelatanan’ny mpianatra avokoa ve izy ireny ? Inona ny akony tamin’ny fianarany ?… Tsy misy maridrefy ahafahana miainga akory isika!
* Inona no mety ho vahaolana hoenti-manarina ny lesoka hatramin’izay ?
– Ny fametrahana vina sy maridrefy ary fanaovana tomban’ezaka. Hiverenana hifampiresahina ihany koa ny rohim-boky. Ny mpanoratra tokony hijanona ho mpanoratra fa tsy sady mpanoratra no mpanonta no mpivaro-boky. Mbola tsy mipetraka tsara mantsy izy io, satria, misy mahatsiaro maty antoka ao anatiny ao. Miditra hatrany amin’ny hetra io fiaraha-midinika io. Hiverenana dinihina akaiky ny politikan’ny boky, na ny toerana omena ny boky eo amin’ny sehatra rehetra amin’ny fiainam-pirenena.
Nitafa : HaRy Razafindrakoto