Ben’ny Tanànan’Antananarivo: Ezahina ny fanavaozana sy fanadiovana ny tanàna

Nanatanteraka fitsidihana teny anivon’ny toerana maro samihafa eto Antananarivo ny ben’ny Tanànan’An­tana­nari­vo, Ramanantsoa Harilala, afakomaly. Anisan’izany ny farihin’Anosy, ny tunnel Am­banidia, ny lapan’Andafia­varatra sy ny maro hafa. “Averina amin’ny endriny taloha ny farihin’Anosy ary mitohy ny fanadiovana manodidina an’Anosy mba hitondrana fanavaozana sy fanatsarana ny tanàna”, hoy izy. Toy ny fisokirana ireo loto rehetra manentsina ny farihy, ny fanadiovana ny manodidina ary ny fanasiana fefy ny farihy. Mba hahafahana miaro ny zaridaina sy mitandro ny fahadiovana manodidina azy. “Tsy noho ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina sy ny fandalovan’ny vahiny ihany fa ezahina ny hitondra fanavaozana sy hanatsarana ny tanàna”, hoy kosa ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gérard.
Mankasitraka ny mponin’ An­tana­narivo ny ben’ny Ta­nànan’Antananarivo, Rama­nan­tsoa Harilala, manoloana ny fahadiovana sy filaminana nataon’ny mponina nandritra ny fetin’ny Paka lasa teo. “Zava-dehibe ho an’ny tanàna ny fanajana ny fahadiovana sy ny filaminana”, hoy izy. Nilamina sy nadio ary nirindra ny toerana rehetra izay nitsangantsanganana. Nisy ny fifanomezan-tanana tao anatin’ny fifandaminana, toy ny mpilatsaka an-tsitrapo, ny skoto, ny Croix rouge, ny polisy monisipaly, ny polisim-pirenena ary indrindra ny mponin’Antana­narivo.

Mino

Partager sur: