Noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny filoha frantsay, Emmanuel Macron sy ny vadiny teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Taorian’izay, nihazo avy hatrany ny Centre de prise en charge intégré des victimes de violences basées sur le Genre Mahamasina ny vadin’ny filoha frantsay, Brigitte Macron sy ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy.
Nandray azy ireo sy nanazava ny antom-pisian’ity ivontoerana natokana handraisana an-tanana ireo ianjadian’ny herisetra, eto Mahamasina ity, ny talen’ny CPCI, Andrianisa Gentiane. Nitsidika ny toerana izy ireo, nanaraka ny dingana fandraisana an-tanana ireo olona iharan’ny herisetra tonga manatona ny ivontoerana eo Mahamasina. Misy ny vondron’ny mpisolovava, polisy vehivavy amin’ny Brigade féminine de proximité ary ny Police des Mœurs et de la Protection des Mineurs miara-miasa ao amin’ny ivontoerana. Ahitana toerana fanaovana tantsoroka ara-tsaina sy ara-tsosialy koa ao. Manana toerana fampiofanana sy efitrano ho an’ny fitsaboana ihany koa. Rehefa vita ny fitsidihana, nihaona tamin’ny solontena nianjadian’ny herisetra izy ireo.
Raha ny antontan’isa avy eo anivon’ny ivontoerana, 11 703 ireo olona nianjadian’ny herisetra nandalo tao amin’io ivontoerana io teo anelanelan’ny novambra 2019 hatramin’ny avrily 2025. Nahatratra 13 209 ireo trangana herisetra noraisana an-tanana teo anelanelan’ny 2019 sy 2024. Ny herisetra ara-tsaina no lohalaharana manaraka ny herisetra ara-toekarena, ara-batana. Omen’ny ivontoerana fampiofanana ihany koa ireo ianjadian’ny herisetra tonga ao. Misy ny “formation ponctuelle” ka olona (vehivavy sy lehilahy) 250 no efa nahazo fampiofanana tamin’ny lohahevitra 12. Manome “formation intégrée” irahana amin’ny UNFPA sy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fampiofanana arakasa ny ivontoerana. Tolorana “attestation” miaraka amin’ny “kits de démarrage” mifanaraka amin’ny fiofanana narahiny ireo mpiofana aorian’ny fiofanana arakasa.
Vonjy
Nijoro ny 25 novambra 2019 nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy ny ivontoerana niaraka amin’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika malagasy. Voasafidin’ny UNFPA ho tompondakan’ny ady amin’ny VBG eto Madagasikara rahateo Rajoelina Mialy. Maimaimpoana ary anatin’ny tsiambaratelo tanteraka ny tolotra sy ny fandraisana an-tanana.