Fanaovan-gazety : 70 taona ny Imongo Vaovao

22 avrily 1955-2055. Feno 70 taona ny gazetin-kevitra Imongo vaovao, nomarihina teny Ampandrana, afakomaly, notarihin’ny tomponandraikitra Rabesahala Jean Luc. Notsiahiviny fa fameloma-maso ny asa sy ny foto-kevitra navelan’i Jean Ralaimongo no tanjona. Tao anatin’ny vanim-potoana nitakian’ny zanatany fahaleovantenany no nahaterahan’ny Imongo Vaovao. Niaina ireo vanim-potoana fanjanahantany izy, ny fanjanahantany tamin’ny endriny vaovao, ny tetezamita, ny Repoblika II sy III. Amin’izao fotoana izao, mivoaka isan-kerinandro ny gazety.
Gazetim-pitolomana hiaro ny tsangan-keviny: ny fiarovana ny rariny sy ny hitsiny ho an’ny vahoaka. Nipoiran’ny tarigetrany mbola tanany hatramin’izao: Fahaleovantena – tany – fiadanana – fandriampahalemana -fivondronana. Nandalo fanenjehana ara-pitsarana ny gazety toy ny fandoavana lamandy, fitanana am-ponja sazy mihantona na mihatra, fandrarana ny tale tsy mahazo manao gazety. Teo koa ny fanenjehana ara-panjakana toy ny fandraofana sy fampiatoana.

R. Nd.

Partager sur: