Fandevenana ny Papa François: Lasa any Vatican ny kardinaly Tsarahazana

Nihazo ny any Vatikana, omaly ny kardinaly, ny Mgr Tsarahazana Désiré hiatrika ny fandevenana ny Papa François. Hotanterahina ny sabotsy izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina izany, ao amin’ny Bazilikan’ny Sainte Marie Majeure. Aorian’izany, tanterahina eo anelanelan’ny 12 hatramin’ny 20 andro aorian’ny fahafatesan’ny papa ny fihibohana “Conclave”, hifidianana ny handimby ny papa François. Mikato-trano ao amin’ny Chapelle Sixtine ireo kardinaly miisa 135 maneran-tany ka latsaky ny 80 taona. Anisan’izany ny kardinaly Tsarahazana Désiré, eo amin’ny faha-70 taonany izao. Samy efa niatrika ny tahaka izany ny kardinaly teo aloha, ny Mgr Razafimahatratra Victor sy ny Mgr Razafin­dratandra Gaëtan.
Papa faha-267 no handimby an’i François. Tomba­nana fa anisan’ireo mendrika amin’izany sy tsara toerana ny sekreteran’i Vatican, nanomboka ny taona 2013, ny kardinaly Pietro Parolin. Tahaka izany koa ny kardinaly, ny Mgr Louis Antonio Tagle, avy any Azia.
Tsiahivina fa notanterahana, omaly tetsy amin’ny Ekar Antanimena ny sorona Masina fisaorana an’Andriamanitra noho ny fahasoavana nozarain’ny Papa François. Niatrika izany ireo avy amin’ny FFKM sy ny finoana hafa. Teo koa ireo olom-panjakana, nahitana ireo minisitra sasany sy ny mpanao politika ary ireo depiote .

Synèse R.

Partager sur: