Nahatratra 44 ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana nandritra ny fankalazana ny fetin’ny paka lasa teo, teto amin’ny faritra Analamanga, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny polisim-pirenena. Nosamborina noho ny fandikan-dalàna sy hadisoana samihafa nandritra ny fety izy ireo. Manodidina ny 19 ireo fitarainana voarain’ny polisy nandritra ny fety. Fanafihana mitam-piadina (antsy) ny iray, vaky trano ny efatra, halatra tsotra ny 11 ary sinto-mahery ny telo. 22 ireo lozam-pifamoivoizana niseho. Vokatry ny fahamamoana ny 10 tamin’izany. Olona 03 no maty ary olona 19 naratra vokatr’izany. Fiara iray kosa nandositra rehefa nosakanan’ny polisy ary mbola karohina.
Olona enina namoy ny ainy
Olona telo namoy ny ainy teo anivon’ny trano famelomana aina (réanimation médicale) nandritra ny fety, raha ny tatitra ofisialy voaray teo anivon’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha. Telo kosa ireo namoy ny ainy teo anivon’ny sampana vonjy aina. Nisy namono ny iray tamin’ireo raha toa ka matin’ny lozam-pifamoivoizana kosa ny roa hafa. 251 ny olona tonga nizaha fahasalamana teny an-toerana. “Nahitam-pihenana ny antontanisa nandritra iny fetin’ny paka iny, raha oharina tamin’ny taon-dasa”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny HJRA Ampefiloha, Mamitiana Judicaël. 38 ny olona tsy maintsy nahiditra hopitaly nandritra ireo roa andro ireo. Ankoatra izay, enina ireo lehilahy tratran’ny intoxication aiguë vokatry ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola, ny alahadin’ny paka lasa teo. Efatra ny vehivavy namono tena ny Alatsinainin’ny paka.
Mino