GEM-MEDEF International : Hanamafy ny fiaraha-miasa stratejika

Hamafisina ny fifandraisana sy ny fifanakalozana eo amin’ireo orinasa malagasy sy frantsay ho an’ny tombontsoa ara-toekarena. Hapetraka ny tondrozotra handrindrana ny asam-pampandrosoana ny toekarena.

Tafapetraka omaly ny tondrozotra hanatanterahana ireo asa hampandrosoana ny fandraharahana sy ny toekarena eto Mada­gasikara. Nanolotra izany ny filoham-pirenena Rajoelina Andry sy ny « minisitre des Outre-mer » Manuel Valls nandritra ny fihaonan’ny roa tonta tetsy amin’ny gara Soarano. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa stratejika eo amin’ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara (GEM) sy ny Mouvement des entreprises de France (MEDEF) International sy hampiroboroboana ireo sehatra fototra ho an’ny tombontsoa ara-toekarena. Voaresaka nandritra ny fihaonana ireo lokanadin’ny fampandrosoana ny firenena, toy ny fanovana ny haitao ara-kajy mirindra sy ny sehatry ny nomerika. Ny fampitana mankany amin’ny fampiasana ny angovo lovainjafy ary ireo fotodrafitrasa lovainjafy eto Madagasikara. Kendrena ny hametrahana vovonana manokana hanamafisana ny fifanakalozana eo amin’ny orinasa malagasy sy frantsay hitondram-bahaolana ho an’ny fanamby sy fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara.

Fiaraha-miasa
Fotoana iray nahafahan’ireo mpisehatra ara-toekarena nanamafy ny fifandraisany sy ny fiaraha-miasany ho an’ny ho avy mamiratra sy iraisana ho an’i Madagasikara ny fihaonana. Nandray anjara tamin’izany ireo tompona orinasa, mpampiasa vola, mpanapa-kevitra ara-politika ary ireo matihanana eo amin’ny sehatra tsy miankina frantsay sy Malagasy ny fihaonana. Hita teny an-toerana ihany koa ireo mpikambana samihafa eo anivon’ny governemanta naneho ny maha zava-dehibe ny rafitra hiaraha-miasa amin’ ny sehatra tsy miankina.

Henintsoa

Partager sur: