INDRAY MIJERY

Ny fianarana teny vahiny no nisantarana ny fiofanana voalohany tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, anatin’ny hetsika “Fijery hafa” miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Miisa 567 ireo nisitraka fiofanana. Anisan’ny sampana tena nisongadina tao amin’ny faritra ny voly legioma sy anana ary ny fanamboarana zezika sy ny fiompiana izay nahitana mpiofana 174. Miisa 2476 ireo mbola anaty fiofanana tanteraka amin’ny sehatra teny vahiny, sy ny fanamboarana mofo mamy.
Atao vaindohan-draharaha ny fanamafisana ny fisorohana ara-pahasalamana. Hizarana fitaovana fitiliana diabeta ireo tobim-pahasalamana fototra (CSB) voakasik’ireo faritra iasan’ny tetikasa “PARN”. Tafiditra ao anatin’ny paikady nasionaly hiadiana amin’ny aretina tsy mifindra (anisan’ny izany ny diabeta) ity fepetra ity, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny fiandohan’ny herinandro teo.
Nanamarika ny Ostie fa mba hampizotra tsara ny fandraisana eny amin’ireo dispensaire dia hajaina ny fandaminana napetraka. Ny mpikambana rehetra dia tokony manana karatra maha mpikambana avokoa ary tsy maintsy entina isaky ny mandeha Ostie izany. Tsy maintsy entina ny bulletin de consultation ho an’ny mpiasa.
Ny alatsinain’ny Paka, nitsidika ireo sampan-draharaha miasahana ny vonjy taitra ao amin’ny
CHUJRA sy CHUGOB ary ny CHUJRB ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamanantany Zely. Nitondra vatsy ho an’ireo mpiasan’ny sampan-draharaha vonjy taitra ny tenany hampahery azy ireo amin’ny asa fitsaboana.

Partager sur: