International Jazz Day: Tafaraka ny samy andrarezina

Tahaka ny isan-taona. Ha­namarika ny «International Jazz Day» i Madagasikara. Hetsika karakarain’ny Mada­jazzcar miaraka amin’ny Fara West ary ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco. Amin’ity taona ity, ho tafaraka ny samy andrarezin’ny mozika jazz. Fampi­se­hoana hotanterahina ny alarobia 30 avrily izao, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany ao amin’ny Fara West Fara­vohitra.
Ho tazana eny an-toerana avokoa ireo tanora manana talenta mahavariana sy ireo zoky ampy traikefa. Anisan’ izany ry Nin’s Rabary, Eric Rakotoary, Datita Rabeson, Do Andriambelo, Harris Ma­nanjara, Gérard Ratsimiseta, Naivo Andriambelo, Harty Andriambelo, Titi Razakamia­dana, Sandrine Rajaofetra, Samy Andriamanoro, Mihaja Rakotoarisoa. Hisongadina ny fifampizarana, ny aingampanahy, ny fifampitana fihetseham-po, amin’ny fanatanterahina ny jazz ankehitriny sy ny taloha. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa ny « jam session » na ilay fiarahana mitendry eo amin’ny samy mpitia jazz. Afaka mandray anjara izay manatanteraka fisoratana anarana mialoha.
Marihina fa anisan’ny ahitana fivelarana lehibe tokoa ny jazz raha ho an’ny mpilalao azy. Manana mpandimby, tanora havanana amin’ny fitendrena na fitsofana na fihirana, ny tontolon’ny jazz eto Madagasikara.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: