Lehilahy voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Sabotsy Namehana, afakomaly. Nanamparany herisetra ilay vehivavy rehefa tsy nanaiky ny filan-dratsiny.
Tra-tehaky ny mpitandro filaminana niaraka amin’ ny ody ratsy ny lehilahy nikasa hanolana vehivavy tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, ny 22 aprily teo. Nitondra antsy io lehilahy io. Nifanena tampoka taminy tany amin’ny toerana somary nangingina ny vehivavy iray. Nanan-kevitra hanolana avy hatrany ilay lehilahy. “Nambanany antsy ilay vehivavy ary nadarabony tamin’ny tany”, hoy ny fanazavan’ny zandary misahana ny fanadihadiana. Nanohitra anefa ny lasibatra. Niezaka nanilika ilay mpanao ratsy nikasa hanolana azy. Tsy nahavita ny filan-dratsiny noho izany ilay nahavanon-doza. Nanampatra ny hatezerany tamin’io vehivavy io ity farany. Voatsindron’ antsy indimy teo amin’ny tratrany sy ny nonony ilay niharan’ny fanararaotana.
Afa-nandositra
Nanoloana ny voina nahazo azy, niezaka nandositra ilay mpanao ratsy io vehivavy io. Niantso vonjy tamin’ny monodidina raha teo izy. Nahare ny zava-nisy ny fokonolona ka nanampy azy. Nifanome tanana koa, ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Raikitra ny fisamborana ilay lehilahy nahavanon-doza. Voasambotra izy. Mpiambina tanàna eny amin’ny manodidina ity nikasa hanolana ity. Nosavaina izy ka nahatrarana moara sy boky mirakitra ny fampiharana ny sikidy malagasy. Manaraka fitsaboana ilay vehivavy naratra vokatry ny tsatok’antsy. Tsiahivina, mirongatra ny tranga fanolanana mianjady amin’ny zaza amam-behivavy teto an-dRenivohitra hatrany amin’ny faritany tato ho ato. Melohin’ny fitsarana ary iharan’ny sazy enjana ireo tratra amin’izany.
Tsiferana R.