Araka ny vaovao niely tao anaty tambajotran-tserasera, ny afakomaly, lasa mpilaravinahitra any amin’ny nosy rahavavy La Réunion, i Jean Yves. Ny klioban’ny AS Marsouins no naka an’ity loharana malagasy ity. Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao nahazoan’ny Barea ny medaly alimo tamin’ny Chan 2022 teo, i Jean Yves.
Nisaraka ady sahala 5 no ho 5, ny lalaon’ny Barea Ladies sy ny ekipa nasionaly senegaley, nandritra ny andro voalohany, ny fifanintsanana afrikanina “Can Futsal 2025”, izay tontosaina any Maroc, amin’izao fotoana izao. Anio kosa ny Barea, hifanandrina amin’i Tanzania, raha mandresy amin’isa maro eto moa ny Barea, tafita any amin’ny dingana manaraka izy ireo.
Nodimandry ny Maitre Appolo Randriantafika, mpikatroka taranja haiady boxe anglaise, boxe française savate sy kick-boxing. Efa DTN tamin’ity taranja ity tao amin’ny federasionina malagasin’ny kick-boxing izy tany aloha.
Niditra tamin’ny andro faharoa amin’ny fampivondronana, omaly, ireo mpilalao volley malagasy, hiatrika ny CJSOI hatao any Seychelles. Toy ny mahazatra, ao amin’ny ANS Ampefiloha izy ireo no mikotrana ny maraina ary eny amin’ny Petit Palais Mahamasina kosa ny hariva.