« Spring meetings »2025: Tafapetraka ny drafitrasa fitantanana

Natolotra omaly nandritra ny fivorian’ny « Spring meetings » any Washington ny « Plan stratégique du bureau de l’administrateur ». Drafi­trasa azo vokatry ny firaisankinan’ireo firenena afrikanina ka nahafahana nanomboka ny tetikasa « Mission 300 ». Ity farany dia entina hampiroboroboana ny fampiasana ny angovo azo havaozina aty Afrika sy ny politka hanatanterahana izany. Voaresaka nandritra ny fihaonana ihany koa ny fanomanana ny « Caucus Africain » hatao any Bangui, renivohitr’i Centrafique. He­tsika hiresahana ireo lohahevitra mahakasika an’i Afrika. Marihina fa rafitra iray itambaran’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny Banky iraisam-pirenena ny « Caucus Africain ». Tsiahivina fa nifantoka tamin’ny fandrafetana ny « Mémorandum annuel pour les réunions annuelles du FMI et de la Banque Mondiale » ny fanamafisana ny fiaraha-mi­asa eto amin’ny faritra hanatsarana ny varotra eto Afrika ary ny fampiroboroboana ny fandraisan’anjaran’i Afrika amin’ny fanapahan-kevitry ny FMI sy ny Banky iraisam-pirenena. Tanjon’ny Caucus Africain ao anatin’izany ny fomba hampiroboroboana ny paikady stratejika lovainjafy..
Ankoatra ireo, voaresaka ihany koa ny fanamboarana fotodrafitrasa hanatsarana ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo sy ny delegasiona avy amin’ny Vista Bank Group. Nitondra fanazavana momba ny tolotra mifandraika amin’ny fitantanana ny trosa kosa ny kabinetra Global Sovereign Advisory (GSA).

Henintsoa

Partager sur: