VAOVAO TAMBATRA

Hibahana ao anatin’ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-pirenena sy governemanta eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe indianina (COI) androany ny « espace commun agricole » iraisan’ny firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Ao ihany koa ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hivoitra ao anatin’izany ireo vahaolana hanatsarana ny sehatry ny fambolena sy ny famokarana aty amin’ny faritra sy eto Madagasikara.

Ratsy ny tsena. Nitovy avokoa ny fitarainan’ireo mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina, omaly. Nanohy ny asa andavanandrony izy ireo na nihena ny fidiram-bola azo. Tao ireo voatery nanitatra ny ora fivarotany manoloana ny fandaminana napetraka eny an-toerana. Ao kosa ireo nisafidy nanakatona ny tsenany ka hanohy indray ny asa fivelomany ho an’ny anio. Manantena ny hahazo tombony amin’izao hetsiky ny COI izao ny rehetra.

Mbola nanohy ny asa fanadiovana ho fanomanana ny fandraisana ny COI ireo mpiasa avy amin’ny minisitera samihafa, omaly, taorian’ny toromarika napetraka. Niara-nisalahy ireo fianakaviamben’ny minisitera tamin’ireo tetikasa sy fandaharanasa eo ambany fiahiny. Tanjona ny hanatsarana ny endrik’i Madagasikara amin’ny fandraisana vahiny

Partager sur: