Tafiditra ao anatin’ny fanadiovana an’Antananarivo sy fiarovana ny mponina ny hetsika famonoana ireo alika mirenireny ao anatin’ny boriborintany 6. Ireo alika manan-tompo dia tokony hifatotra tsara any an-tanàna.
Mitohy ny hetsika famonoana ireo alika mirenireny eto Antananarivo. Ifarimbonan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fiandraiketana izany. Tafiditra amin’ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny aretina haromotana ny hetsika.
Mbola tafiditra ao anatin’ ny vanim-potoana mampirongatra izany indrindra isika amin’ izao fotoana. Mahafaty haingana be ity aretina ity. Raha vantan’ny vao voakaikitra na voarangotry ny biby romotra dia sasana avy hatrany amin’ ny savony ny fery ary entina haingana any amin’ny dokotera akaiky.
Tsy voatery hisy soratr’ aretina hita maso amin’ilay biby (saka, alika, ramanavy…) kanefa mety mamindra aretina amin’ny olombelona.
Tsy ahitana famantarana hita maso ihany koa ny olona voan’ny haromotana amin’ny voalohany. Ora vitsy na andro iray aorian’ny kaikitra nahazo azy vao miseho ny soritr’aretina.
Lasa matahotra rano sy rivotra, mivoaka faroratra ny vavany, matahotra hazavana, mikorontan-tsaina ary mila tsy ho voafehy, mikainkona ny hozatra, mifanintontsintona ary manavy be ny marary.
Rehefa miseho ireo fambara ireo, tsy misy azo hatao intsony fa tonga amin’ny fahafatesana.
Izany indrindra no tokony hanatonana haingana ny tobim-pahasalamana hahafahana mamonjy haingana ny ain’ilay olona.
Ny alika nanaikitra olona ihany koa dia tokony harahi-maso any amin’ny mpitsabo biby mandritra ny 14 andro hahafahana mandray fepetra sy iantohana ny fahasalamany.
Mamono olona aman’alina isan-taona ny aretina haromotana ary anisan’ny lasibatra ny ankizy. Ireo manana alika sy saka ompiana ao an-trano dia tokony hanaraka fizaham-pahasalamana matetika, manao vaksiny miaro amin’ny haromotana ary omena odin-kankana manaraka ny tetiandro.
Tatiana A