Andrarezin’ny hira malagasy: Hisy ny tsiahy ho an’i Rolland Raelison

Zoma 18 avrily, nanjombona ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Nodimandry tany amin’ny Nosy La Réunion i Rolland Raelison…
Ho an’ny eto an-toerana, hisy ny fanomezam-boninahitra ho an’Andriamanitra sy tsiahy ho azy.

Hanana endrika roa ny fandaharam-potoana ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fahatsiarovana an’i Rolland Rae­lison, andrarezin’ny hira mala­gasy, nodimandry tany Tam­pon Nosy La Réunion, ny 18 avrily teo. Rahampitso sabotsy 26 avrily tontolo andro, eny amin’ny Ankany Fahasoavana ao Miadana Ambohitrimanjaka. Fotoana hivorian’ny fianaka­viana sady hiarahan’izy ireo amina mpanakanto, mihira ny sanganasan’i Rolland Raeli­son. Ny alahady 27 avrily, ma­nomboka amin’ny 12 ora sy sasany, ao amin’ny FJKM Ano­sisoa Fitiavana. Fanome­zam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fankaherezana ny fianakaviana. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny tsiahy manokana an’i Rolland Rae­lison, hotanterahin’ireo maha­fan­tatra azy eo amin’ny tonto­lon’ny hira. Ao ihany koa ny fandrafetana sy fandrindrana ho iray ireo sanganasany vitsivitsy (Ekeko satria, Fafao ny ranomaso, Sangisangy ve, Handao anao), hoenti-mamintina ny zotram-piainana sy ho fankahere­zana ny fianakaviana manontolo. Tamin’ny tafa fohy nifanao­vana tamin-dRaelison Colombe zanany no nilazany fa ankoatra ireo fandaharam-potoana hotanterahina ny faran’ity herinandro ity ireo : « hisy ny tsiahy ho an’i Rolland Raelison fa ny fotoana no mbola tsy fantatra ».
Raha tsiahivina, mbola vao 7 taona i Rolland Raelison no maty ny reniny. Mahay mitendry piano io reniny io. Tsy naha­gaga raha vao 8 taona monja izy dia efa nahay nitendry ango­rodao… Nanohy nianatra i Rolland Raelison ka hainy avokoa ny mitendry piano, angorodao, gitara, lokanga, « contrebasse », valiha, mandôlinina, harpa… Hainy ny nitsoka saksôfônina, klarinety, sodina, farara, trompetra, trômbônina, sns.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: