Dia fibeazana : Mpianatra dimy mianadahy maty an-drano

Tanora dimy mianadahy, mpianatra, maty an-drano rehefa nilomano tany Antsanitia Belobaka Mahajanga, omaly atoandro. Nahitana lehilahy efatra sy vehivavy iray. Tanora mpianatry ny Lycée Manjakandriana, nanao dia fibeazana tany Mahajanga ireo tra-doza ireo.

Nitsidika ny “plage An­tsa­nitia” Belobaka ireo mpianatra avy amin’ny Lycée Manjakandriana omaly tamin’ny 12 ora sasany atoandro. Nilalao ranomasina ireo mpianatra nanomboka tamin’ ny 1 ora tolakandro. Niara-nilomano nitokana somary niala tamin’ny namany ireo tanora enina mianadahy, niharan-doza. Voalaza ho nosin­tomin’ny rano ilay tovovavy ta­min’izy ireo ka lasa tany amin’ ny lalina. Niezaka nanavotra azy io, ireo namany dimy mira­­halahy saingy niara-nilentika tao. Nifamonjena tao anaty rano izy rehetra saingy tsy avotra ny dimy, raha avotra soaman­tsara ny iray. Nentina notsaboina sy nialana nenina teny amin’ny hopitaly manara-penitra Mahavoky Atsimo Maha­janga ihany fa tsy nisy aina intsony. Nalefa eo anivon’ny tranom-paty kosa ny razana taorian’izay. Marihina fa nitondra mpianatra 90 mahery ny tomponandraikitra nanao ity dia fibeazana ity, izay nahi­tana kilasy voalohany sy fama­ranana. Manodidina ny 14, 15, 16 eo ny salan-taonan’ireo mpianatra ireo. Nigadona tany an-toerana afakomaly izy ireo ary nikasa hiverina ny sabotsy ho avy izao. Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana sy nanao ny fanadihadiana ny OMC sy ny lehiben’ny polisy ary ny zandary. Tonga nankahery ireo mpampianatra tomponandraikitra ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga. Niton­dra voatsirambin’ny tanana hanamaivanana ny fikaraka­rana ny hitondrana ireo razana.

Antsanitia, toerana misy fady

Toerana iray anisan’ny misy fady ny Antsanitia Maha­janga ka tokony ilaina fitandremana ho an’ny vahiny re­hetra tonga hitsidika any, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Anisan’ny antony miteraka fahafatesana tahaka izao ny fanotana fady ataon’ ireo vahiny tonga any. Tokony hanaja ny fady hatrany ireo olona tonga mivahiny any an-toerana. Anisan’izany, ny tsy fahazahoana mitondra sakafo misy kisoa sy ny mitondra elo ao an-toerana. Manentana ny rehetra hatrany ny tomponandraikitra mba hanaja ny fady sy hanaraka izay lazain’ny tomponandraikitra sy tompon-tany any an-toerana. Mba hi­sorohana ny loza tahaka izao.

Mino

Partager sur: