Notanterahina tetsy Ankorondrano, omaly ny atrikasa ho fanamafisana ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Tafiditra anatin’izany ny tetikasa “Morondava Adaptation Fund – Mor’af”, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT).
Nivoitra tamin’izany fa tetikasa mamaly ny hetaheta eny ifotony ny Mor’af, niarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka. “Miova endrika izao ny tanàn’i Morondava ary mahasarika mpizahatany…”, hoy ny tale jeneralin’ny fanajariana ny tany, Rabodomalala Miangaly. Nampahafantariny fa efa eo ny torolalana natokana ho an’ny fanorenana ahafahana manaraka ny fenitra rehetra sy ireo dingana tokony harahina, hampihenana ny fahavoazana noho ny fiovan’ny toetr’andro. Anisan’ny mampiavaka ny tetikasa Mor’af ny nijerena manokana an’i Morondava sy ny nikarohana vahaolana manoloana ny tondradrano sy ny fitantanana ny fako any an-toerana. Nanteriny fa hiaraha-mijery anaty tombana ny drafitrasa ahafahana miatrika ny loza voanjahary.
Fanamboaran-dalana sy tetezana
Etsy andaniny, notsiahiviny fa maromaro ireo tetikasa iarahana amin’ny MFFT tahaka izao. Anisan’izany ny Produir ho an’ny Antananarivo, ny Padeve ho an’ireo tanàn-dehibe maromaro. Eo koa ny tetikasa ho an’i Toamasina sy ny any Mananjary manoloana ny fikaohan’ny ranomasina ny sisintany… “Mbola iandrasana mpiara-miombon’antoka hafa ireo tetikasa hafa… Efa mamolavola paikady isika izao”, hoy ihany izy.
Tsiahivina, anisan’ny zava-bita tamin’ny tetikasa Mor’af ho an’ny any Morondava ny trano ho fialofana vonjimaika sy ny ivontoerana fanofanana, ny rafitra fandraofana rano maloto ao afovoan-tanàna. Eo koa ny nanolorana kamiao “Benne” ho an’ny kaominina Morondava ary ny fanamboarana lalana sy tetezana maromaro ao Ambalarao sy Bemokijy ary Rapiera.
Synese R.