Firenena mampiasa ny teny frantsay manana mpianatra betsaka indrindra aty Afrika i Madagasikara. Ny teny frantsay no ampiasaina hampitana fahalalana ho an’ny ankizy manomboka amin’ny sekoly ambaratonga voalohany hatramin’ny fampianarana ambony eny anivon’ny oniversite eto Madagasikara. Voakasika ao avokoa ny sekoly miankina amin’ny fanjakana sy ireo miahy tena, hoy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny fandraisany fitenenana teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, tao anatin’ny fitsidihana ara-panjakana ataon’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, eto an-toerana. Ho fanomezan-danja izany teny frantsay izany, misy ny vinavina izay tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ ny firenena frantsay sy malagasy momba ny fanorenana oniversite filamatra eto Madagasikara. Hanome fampianarana manana ny kalitao andrasan’ny mpianatra ny oniversite sady manomana azy sahady hilomano amin’ny sehatra mikirakira ny fampiasana teny frantsay sy maneran-tany.
Nanamafy ny fahavononan’ i Frantsa hanohy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. Ao anatin’ izany ny fametrahana fifanarahana vaovao amin’ny sehatra samihafa, araka ny lahatenin’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron. Tafiditra amin’izany tetikasa izany ny fiaraha-miasa ho an’ny oniversite sy ny fampianarana ambony ary ny vina hanangana oniversite filamatra eto Madagasikara.
Vonjy