Mbola any Frantsa, mihaona amin’ireo Malagasy ny filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Nambaran’izy ireo fa mahafinaritra ny fifankatiavan’ny Malagasy any an-toerana. «Afaka miady hevitra… Voageja ny vahoaka aty Madagasikara. Tsy afa-maneho hevitra na mahazo fandrahonana… », hoy izy ireo.
Anisan’ny nisogadina teny amin’ny CCI Ivato koa ny fitakiana ampahibemaso nataon’ny filoha Kaomorianina, i Azali Assoumani tamin’ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron. Hentitra sy nahitsy ny lahateniny nilaza tamin’izany fa tena azy ireo i Mayotte ka tokony haverina amin’i Kaomoro.
Nandray ireo parlemantera frantsay miisa roa ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, afakomaly tetsy Anosy. Voaresaka ny fiarovana ny sisintany, ny ady amin’ny fanondranana tsy ara-dalàna ny harem-pirenena, ny fifindra-monina… Noresahana koa ny tan-tsoroka fiaraha-miasa “Jumelage” amin’ireo kaominina any Frantsa.
Tsy tanteraka na nangataka alalana aza ny HPM raha nikasa hilanja sora-baventy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, tamin’ny fahatongavan’ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron. Nambaran-dRalison Roger fa efa nametraka taratasy teny amin’ny ambasadin’i Frantsa izy ireo rehefa tsy nivaly ny fahazoan-dalana hitakiana ireo Nosy malagasy.