Sahirana tanteraka ny ekipam-pirenena Barea Ladies, omaly. Notazomin’i Tanzanie, sahala, 4 no ho 4, ry zareo. Mitarika eo amin’ny laharana voalohany, vonjimaika ao amin’ny vondrona « C » ny Barea Ladies.
Izay aloha ! Nahazo isa iray fanampiny ho azy tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Can 2025, taranja baolina kitra anaty efitrano, “Futsal”, izay tontosaina any Maroc, ny Barea vehivavy, omaly. Nisaraka ady sahala, 4 no ho 4, tamin’ny ekipa nasionalin’i Tanzania, ny vehivavy malagasy. Eo amin’ny laharana voalohany vonjimaika, ao amin’ny vondrona “C”, ny Barea Ladies, ary manana isa 2. Raha hiverenana kely ny fifanandrinan’ny roa tonta, hita nifandimbiasana tanteraka ny fifanafihana. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ry zareo, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Teo amin’ny fidirana faharoa, nitarika tamin’ny isa 4 no ho 2, andriambavy lanitra Tanzanianina. Taorian’izay, nanova paikady ny mpanazatra, Manitriniaina Steve Princy, ka nahasahala ny isa ho 4 no ho 4. Raha ny hita omaly, somary sahirana eo amin’ny famaranana ny fanafihana hatrany ny vehivavy malagasy, ka very avokoa ireo baolina tokony hivadika ho isa ho azy ireo. Tsiahivina fa sambany teo amin’ny tantara, no nandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena toy izao. Marihina fa natao hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2025” any Philippines, ny volana novambra ho avy izao, ity fifanintsanana ity.
Hiankina amin’ny lalaon’i Sénégal
Hotanterahina rahampitso, ny lalao hifanandrinan’i Sénégal sy i Tanzanie. Hiankina tanteraka amin’io fihaonan’ny roa tonta io, ny mety hahatafakatra ny ekipa izay tarihan’ny Coach Princy sy i Angelot, any amin’ny dingana manaraka. Ampahafantarina ihany fa i Sénégal, nanao ady sahala, 5 no ho 5, tamin’i Madagasikara, ny talata lasa teo.
F.R