INDRAY MIJERY

Isaky ny alarobia, mijery lohahevitra vaovao momba ny tontolon’ny fahasalaman’ny saina ny Asso­ciation Psy-kôzy Madagascar. Afaka manaraka ny pejy ao amin’ny facebook ireo liana amin’izany. Noresahina tamin’ ity herinandro ity ny “psychoéducation”: izay voambolana anaty fitsaboana. Raha adika amin’ny teny tsotra izany, fampahafantarana momba ny aretina mahazo. Anisan’ireo andry iankinan’ny fanarenana ara-psyko-sosialy na “réhabilitation psychosociale” ny “psychoéducation”.

Tsy mbola afaka niverina nivarotra ireo mpivarotra manamorona ny sisin-dalana amin’ny faritra maro eto an-dRenivohitra. Anton’izany, ny fandaminana ao anatin’ny fandraisantsika ny fivoriana fahadimy an’ireo firenena sy nosy aty amin’ny ranomasina indianina. Sorena vokatr’ izany izy ireo ka misy ihany ny miasa fa tsy mamoaka ny entana fa ao anaty sobika mora afindra no hamidy.

Nampahafantatra ny masoivoho Japoney ny amin’ ny fisoratana anarana amin’ny andiany faha-33 amin’ny fifaninanana mandaha-teny amin’ny fiteny japoney. Iata­han’ny masoivoho amin’ny jalta sy ny ONG Sakura ny fana­tanterahana izany. Nanomboka omaly hatramin’ny 9 mey ny fisoratana anarana. Ny 7 jona kosa ny fifaninanana.

Manoloana ny fodiamandrin’ny Papa ray Masina, maro ireo sekoly katolika no nampidina ny sainan’ny sekoly ho amin’ny antsasany ho fisaonana. Ireo mpianatra ihany koa miandriandry ny andro fandevenana ny Papa sao ho andro tsy ianarana ho an’ireo sekoly katolika.

Partager sur: