Lazam-balala no betsaka: Kolontsaina tsy hita hantenaina ?

Midadasika i Madagasikara. Manana kolontsaina maro. Ao ireo tazana ny vokatra hoen­tiny. Tsy vitsy ireo tafajanona eo amin’ny endrika ivelany fotsiny. Hatramin’izao, mbola farahidiny ny Malagasy. Tsy mandray anjara amin’ny fiainany ireo kolontsaina ambara fa harenany ?

Manan-karena kolontsaina, hono, ny Malagasy ! Kara­zan-kira sy dihy maro, hono, no hita eto Madagasikara, miainga any avaratra mandalo ny afovoan-tany, mipaka hatrany atsimo. Toraka izany koa ny avy any atsinanana mianandrefana. Iharan’izany koa ny fomba amam-panao izay ambara hatrany fa mampivanaka izay vahiny mandalo eto. Toa lazam-balala ihany anefa ireny rehetra ireny.
… Tsy misy fampandrosoana hoentiny. Tsy misy toe-tsaina voaovany. Tsy misy fivoarana havan­dravandrany, sns. Toa kolontsaina moana sy tsy afa-miteny. Tsy afa-mampita hevitra. Tsy afa-mampiray saina. Tsy afa-mandrindra ny rariny tsy mampivelatra ny hitsiny. Kolon­tsaina tafalatsaka anaty kizo !
Fomba amam-panao, mahasarotiny, fa tsy fantatra akory ny fisian’ny hasina ao anatiny. Tsy voahaja ny fadiny. Ny zava-maty hasina tahaka izany, antenaina hitondra inona ? Lazam-balala no betsaka. Amin’izao vanim-potoana izao, mbola maro ny manan-kasina (toerana, olona, tany, trano…), saingy, nivadika tahotra ny fananana azy ireny. Fa maninona no matahotra ? Satria, tsy hananana ny fahalalana momba azy ireny. Ny
« honohono » no mameno ny saina.

Mila kolontsaina miaina…

… Kolontsaina miaina no ilaina fa tsy ny malaza tsy hihinanana tahaka ny loviantsahona. Maro anefa ireo diso hevitra ka miandry ny hoentin’ny mpanakanto. Tsia, tsy ampy ireny satria sehatra goavana be no rako­fan’ny kolontsaina. Tsy midika akory izany fa hirotsaka hamoron-kira na hihira na hanao sary sokitra na hitendry gitara avokoa ny Malagasy izay vao afaka ny miaina ny kolontsaina.
Ao anatin’ny tsirairay ny kolon­tsaina malagasy, noho izany, raha miaina izy, tokony hiaina hanaraka izay ihany koa ilay kolontsaina. Rehefa mby eo amin’ny fahalalana ny kolontsainany ny Malagasy iray. Mila mahay miaina ao anatin’izany. Raha mahafantatra momba ny zavamaniry satrikoazamaratra ny raim-pianakaviana. Ilaina ny fampiasany izany, raha sanatria ka misy ny ratra. Avy amin’ny fihetsika tahaka io no hiampitan’ny fahalalany mankany amin’ny taranany. Izay ilay kolon­tsaina miaina. Tsy mijanona eo amin’ ny lazam-balala fotsiny.

Tanjaky ny kolontsaina,
tanjaky ny firenena

Azo atao ho mari-pandrefesana ny tanjaky ny firenena iray ny vitriky ny kolontsaina ao aminy. Ny firenena manana kolontsaina osaosa, osa manaraka izay ihany koa. Izay fatra-panindrahindra sy mampivelatra ny kolontsainy, zary matanjaka. Ho an’ny mpilalao politika sy ny mpilalao toekarena, mety ho diso izany. Ny an-dry zareo ireo, ny politika sy ny toekarena no mibaiko ny kolontsaina. Mbola mihevitra mantsy ny karazan’ olona tahaka izany fa ny hira no atao hoe « kolontsaina ». Fahalalana napetraky ny firenena matanjaka io. Fa ny marina ao ambadik’izay…
… Hain-dry zareo tsara fa : « mora ny manabado firenena iray rehefa ny kolontsainy no potehina ». Ny kolon­tsaina no manana fahefana feno hoenti-manimba na mamotika na manarina firenena iray (firenena = olona miaina ao aminy). Tanjaky ny firenena iray ny fananana kolon­tsaina miaina. Kolontsaina miaraka miaina amin’ny tompony.

Mila mikaroka, mila mahalala, tsy miandry mahazo

Ny fahalalana ny kolontsaina miainga any amin’ny fototra mihitsy no mila hanaovana ezaka amin’izao vanim-potoana izao. Be loatra ny « fa maninona ? », « inona ny nahatonga izany ? », « marina ve izany ? » … Misy ny fahalalana iraisana na kolontsaina iraisana. Maro ihany koa ireo fahalalana na kolontsaina tsy itambarana amin’ny hafa. Samy ilaina ho fantatra sy iainana avokoa ireny. Tsy miandry toloran’ny hafa fa mikaroka.
Mila omena lanja ny fikarohana. Tsy mahazo malaina raha te hanana ny maha izy azy. Io no tsy ampy amin’ ny Malagasy ankehitriny. Ankininy amin’ireo fikarohana nataon’ny va­hiny ny kolontsainy. Boky sy drafitra napetraky ny vahiny, ohatra, no hanaingan’ny mpianatra malagasy ny fikarohana hataony. Tsy ekena ho mitombina ny voka-pikarohana iray raha tsy mandalo ny lalan-tsaina nosoritan’ny vahiny. Tsy afaka ma­neho ny fahalalany momba ny kolon­tsaina malagasy ny Malagasy raha tsy mahazo fankatoavana avy amin’ ny lalan-tsaina vahiny ? Misongadina io tranga io eny amin’ireo toeram-pikarohana sy toeram-pampianarana ambony. Efa zary lasitra ao an-tsain’ ny Malagasy ny tahaka izany ka raha misy maneho voka-pikarohana, mi­potra haingana ny : « taiza ny loha­rano nanovozan-kevitra » ?
… Satria, efa tafalatsaka lalina ny fahasimbana na faharavan’ny kolon­tsaina malagasy. Ny fikarohana sy fitrandrahana fahalalana ataon’ny tsirairay no mila hamafisina hoenti-manarina izany. Tsy maka lavitra fa eo anivon’ny ankohonana no hanombohana izany. Mila hampahafanta­rina ny taranaka ny kolontsainy mba tsy ho lazam-balala fotsiny fa hiteraka fandrosoana ho azy sy ny taranany ary ny firenena iray manontolo !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: