Lisi-pifidianana : Efa miverina eny amin’ny distrika

Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, omaly, fa efa manomboka miverina eny anivon’ny distrika ny lisi-pifidianana rehefa nosokafana tamin’ny olom-pirenena nandritra ny 20 andro. Natao izany mba hanamarinany na hitondrany fanitsiana ny mombamomba azy, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Ceni. Araka izany, efa miroso miandalana amin’ny fandrafetana sy fampidirana ny lisitra anaty solosaina amin’izao fotoana izao ireo tomponandraikitra misahana ny ara-kajimirindra isaky ny distrika (CID), araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Ceni.
Tsiahivina fa hifarana tanteraka ny 25 mey izao ny lisitry ny mpifidy ho an’ny fanavaozana isan-taona 2024-2025. “Tanjonay ny handrafitra lisi-pifidianana feno sy mazava”, hoy ny eo anivon’ny Ceni.

*
Synèse R.

Partager sur: