Vaovao nahoraka, omaly ny mahakasika ny fitantanana ny Nosy aty amin’ny Ranomasimbe indianina. Andaniny, manamafy ny frantsay fa misy tokoa ilay fehin-kevitry ny Firenena mikambana mahakasika ny Nosy malagasy manodidina na ny “Iles éparses”. Ankilany, tsy manaiky ny hamerina izany ho an’i Madagasikara kosa anefa izy. Ny fiaraha-mitantana no hindraindrainy.
Mifanindran-dalana amin’izay, mitaky sy manamafy ny maha azy ireo ny Nosy Mayotte ny kaomorianina tamin’ny lahateny nataon’ny filohany. Misy dikany lehibe ara-diplaomatika sy ny jeopolitika maneran-tany izany. Asa mety misy ifandraisany amin’ny naneken-dry zareo ao Kaomaoro ny hametrahan’i Rosia ny biraon’ny ambasadiny any an-toerana izany?
Ny Rosianina rahateo efa nametraka mazava fa vonona tanteraka ny hanampy an’i Madagasikara amin’ny famerenana ny Nosy ho an’ny Malagasy. Nanome toky amin’ny hitondrany ny anjara birikiny raha ilaina izany. Milalao ny fivoaran’ny toe-draharaha maneran-tany izy ireo amin’ny ady isan-karazany miseholany etsy sy eroa.
Hitohy ny dinika amin’ny famerenana ireo Nosy aty amin’ny Ranomasimbe indianina. Samy miady ny azy ny rehetra satria harembe mihoapampana tokoa no ao ambadika. Na ny mpahay tantara, na ny mpikaroka dia efa manamafy izany. Maro no manome tsiny ny fibodoana ataon’ny vazaha, manararaotra ny faharefoan’i Madagasikara.
Na izany aza, anjaran’ny mpitondra malagasy no manao ady sisika. Aiza no no hisy hena an-tanan-tsaka ho azo mora izany? Safidy ihany koa anefa io. Sarotra ho an’ny firenena tsy manan-tanana handrangotra na tongotra hanipaka no hilingilingy hihantsy ny firenena fahadimy, matanjaka indrindra maneran-tany.
Tsy misy tsy vitan’ny resaka sy diplaomasia anefa dia samy miandry am-pitoniana ny havoakan’ny dinika manaraka.
r.r