Notanana vonjimaika, afakomaly, any am-ponja ny tovolahy 17 taona nanolan-jaza vao efa taona monja, tao Soanierana-Ivongo. Ankizivavy nandeha namonjy toeram-pivoahana, niharan’ny fanararaotana nataon’ny tovolahy mpiandry omby, tao amin’ny kaominina Manompana, ny talata 22 avrily teo, tamin’ny 11 ora maraina. Nosaritin’io tovolahy io niditra ny kirihitr’ala ilay zazavavy. Tsy afa-nanohitra ity farany na dia niezaka nanala ny tanan’ilay mpanolana aza. Nanamparan’io olon-dratsy io ny filan-dratsiny izy. Nikiakiaka sy nitomany hany sisa nataon’ny zaza voaolana. Nikaroka ny zanany ny ray aman-drenin’ny zaza. Niosin-drà tanteraka ny fivavian’ny zanak’izy ireo tamin’ny fotoana nahitana azy. Taitra, nampandre ny fokonolona sy ny tomponandraikitry ny fokontany avy hatrany ny fianakavian’ilay niharan’ny fanolanana. Nokarohina ny nahavanon-doza ka voasambotra. Nentina natao fizahana teo anivon’ny CSBII Manompana io zaza io. Simba tanteraka izy ka voatery nentina nihazo ny hopitaly ao Fenoarivo Atsinanana. Natao famotorana ilay tovolahy tsy ampy taona ary notanana vonjimaika.
Sajo