Randriamasinoro Riana: “Miandrandra fiovana amin’ny COI ny vahoaka”

Nitondra ny heviny, manoloana izao nandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny COI izao ny sekretera jeneralin’ny Tim, Randriamasinoro Tahiry Ny Rina.

Miandry sy miandrandra ny fiavian’ireo avy any ivelany ny vahoaka ma­lagasy mba hanova kely ny tsy fandriampahalemana sy ny fahasahiranana amin’ny sakafo eto Madagasikara izay. Io raha fehezina ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Tim sady depiote voafidy tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, Ran­driamasinoro Tahiry Ny Rina, ny amin’ny fihaonana an-tampony faha-V nataon’ny Vao­mieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI). Misy ary manjaka ny tsy fandriampahalemana: vono olona, fakana an-keriny… Kolikoly no anisan’ny mahatonga an’izay tsy fandriampahalemana izay. Satria tsy matoky intsony ny rafitra napetraka ny vahoaka amin’izao. Ao anatin’izany ny rafi-pitsarana, fa lasa mitarika fanaovana fitsaram-bahoaka.

Tsy misakafo araka ny tokony ho izy

Momba ny fahavitan-tena na ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, iaraha-mahalala fa efa tsy misakafo araka ny tokony ho izy intsony ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy amin’izao. Na ny laharana misy an’i Madagasikara aza, anisan’ny any amin’ny farany momba ny fari-pianan’ny vahoaka. Ao anatin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny COI, tsy i Madagasikara no ndeha hatao maodely ho an’ny firenen-kafa amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana sy ny amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Izay no iainan’ny firenena sy ny vahoaka malagasy ankehitriny. Aoka tsy ho sodoka ireo olona tonga hivory eto ny amin’izay. Na amina feo hafa na resaka ambony latabatra izany. Amin’ny ankapobeny, izay no tena iainan’ny vahoaka malagasy.

R. Nd.

 

Partager sur: