Hotanterahina ny sabotsy ho avy izao, eny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, ny fifidianana ireo ankizy, ao amin’ny sokajin-taona 15 taona no ho midina. Izany dia tafiditra ao anatin’ilay fandaharanasa Talent Development Scheme (TDS). Ny teknisianina avy amin’ny federasionina iraisam-pirenena (Fifa) sy ny eo anivon’ny FMF no hisahana izany.
Mety ho mpitsara vahiny no hitantana ny famaranana ny “Top 12”, taranja rugby. Fihaonana, hikatrohan’ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa (Bebaoty). Hatao etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka izany lalao izany, ny alahady ho avy izao. Mialoha izany, hiatrika ny famaranana eo amin’ny D1, vehivavy, hifandonan’ny FTFA sy ny SCB Besarety.
Hanomboka ny faran’ity herinandro ity ny fifaninanam-pirenena N1A “zone centre”, taranja basikety. Fifaninanana tontosaina any Antsirabe. Hifanandrina voalohany eo amin’ny sokajy vehivavy, ny ekipan’ny Varsity Anosy sy ny JEA Vakinankaratra. Ny 619 Generation Menabe sy ny ASI Itasy kosa no hifandona voalohany, eo amin’ny sokajy lehilahy.
Fiofanana no hanombohana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Muay Thaï, anio zoma 25 avrily, ao amin’ny Petit Palais Mahamasina. Hitohy ny 26 avrily maraina izany fiofanana ho an’ny Nak Muay izany ary ny 26 avrily hariva sy ny 27 avrily tontolo andro no hanaovana ny fifaninanana.