TARATRY ny KANTO

Homarihina eny Ankatso ny « Andro iraisam-pirenena » ho an’ny boky. Anio manomboka amin’ny
9 ora no hisesy ireo hetsika isan-karazany, eo amin’ny fiantsonan’ny fiara sy ao amin’ny amphithéatre EGS. Hahitana vakiboky an-kalamanjana, fampirantiana boky, atrikasa momba ny fanoratana, adihevitra iarahana
amin’i Dama Mahaleo, hatramina fampisehoana iara­hana amin’i Ayam sy i Samoëla izany.

« Efa ela ihany », zarain’ny Olombelo Ricky ho an’ny mpankafy azy any Fianarantsoa. Fiarahana indroa miantoana, ka anio manomboka amin’ny 9 ora sy sasany alina ny voalohany, ao amin’ny Galerie O’Matsiatra Antarandolo. Ny alahady amin’ny 3 ora tolakandro kosa ny faharoa, ao amin’ity toerana ity ihany. Ao anatin’ny fanamarihana hatrany ny faha-45 taona niakaran’ny Olombelo Ricky an-tsehatra io.

Eusebia, etsy amin’ny Sakamanga. Hanafana ny fialamboly vita asa sy manomboka ny faran’ny herinandro, anio manomboka amin’ny 5 ora hariva hatramin’ ny 8 ora alina i Eusebia. Hizara ny mozika manodidina ny « piscine », mba hanome fialamboly miavaka ho an’izay hanatrika izany, ity zanaky ny mpanjakan’ny salegy ity. Fotoana iray hihainoana ireo sanganasany, izay mive­latra kokoa amin’ny mozika maneran-tany izany.

« Revy Lolo sy ny tariny », etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Taorian’ny teny Antsahamanitra ny ala­tsinain’ny Paka teo, hiverina etsy amin’ny toeram-pialamboly efa mahazatra ireo mpankafy azy, ry Benny, Bebey ary i Nini. Hizara ny Revy Lôlô, izay tsy mety lefy laza ary be mpitady hatrany izy telo mirahalahy ireto.

Partager sur: