Tsipy kanetibe – Amboaran’i Madagasikara: Hatao any Antsirabe ny 2 mey ho avy izao

Hampiantrano ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe ny ligin’i Vakinankaratra. Hotanterahina ny 2 ka hatramin’ny 4 mey ho avy izao izany. Lalao ho an’olon-telo miaraka no hifaninanana amin’izany. Hiady lohany ny sokajy efatra dia ny “senior” lahy sy vavy, ny zandriny “junior” ary ny zokiolona “veterans”. Hanana ny lanjany lehibe ity fifaninanana ity satria ho voafantina mialoha ao anaty ekipam-pirenena izay laharana voalohany eo amin’ireo sokajy telo, “senior” sy vehivavy ary “junior”. Anisan’ny lalao hahazoana isa ihany koa ity fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara ity, ho an’ireo mpilalao tsirairay avy.
Araka ny fantatra mantsy, hisy ny fifantenana ny mpilalao fahefatra hiatrika ny “Masters 2025”. Raha tsiahivina, ny ekipa tompondaka lefitra maneran-tany 2024 no hiatrika io lalao io dia i Zigle sy i Tiana kely ary i Donald. Ny toeran-dRacl izay tsy ho anisan’ireo handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy fa hitondra ekipa iray hafa no ho soloina. Mety ho izay mendrika amin’io lalao io no hahazo io toerana fahefatra io. An­koatra izay, efa ao anatin’ny fitiliana ireo ho ao anaty ekipa hanao ny “Tournoi estival 2025” ihany koa ny federasionina.
Mandra-piandry izany, ta­kina amin’ireo mpilalao hanao ity fiadiana ny amboara ity ny kara-pilalaovana ara-dalàna 2025.

Tompondaka

Partager sur: