Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina : Vonona ny hifanampy ny firenena mpikambana

Nifarana tao anatin’ny firahalahiana ny fihaonambe fahadimin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina. Tapaka fa hamafisina ny fiaraha-miasan’ny mpikambana.

Nizotra tamim-pilaminana, vita hatramin’ny farany ny fihaonambe an-tampony teo amin’ny firenena mikambana ao anatin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina. Tapaka nandritra ny dinika fa hamafisina ny fiaraha-miasa aty amin’ny faritra indrindra. Toraka izany ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka. Tanjona ny mba hahatrarana ny fampandrosoana lovainjafy kendrena ho an’ny taona 2030. Miampy ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay ao anatin’ny fanekem-pirenena, isam-paritra ary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena nataony.
Nifanaraka ny mpikambana fa hamaly ny hetahetan’ny mponina sy ireo firenena mikambana. Natao ho an’ny fampandrosoana azo tsapain-tanana ny lafiny sosialy sy toekarena izany. Ho jerena manokana ny lafin’ny fifanakalozana ara-barotra sy ara-kolontsaina, ny fandriampahalemana sy ny sosialim-bahoaka. Nanome toky ireo filoham-panjakana fa hiady ho an’ny fahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy hampiroborobo ny rojom-pihariana. Hampirisi­hana ny fifanakalozana ara-barotra.

Famokarana

Laharaham-pahamehana fahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fametrahana ny politika mifanaraka amin’ny tanjona apetraka toy ny fanatsarana ny sakafo, ny fanovana ny rafi-pamokarana. Tohanana ihany koa ny fandaharanasa isam-paritra ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny sakafo (PRESAN). Ilaina ny famatsiam-bola ho an’ny fanofanana. Tokony hatsaraina ny fotodrafitrasa mialoha sy aorian’ny finjinjana ny vokatra hiantohana ny hitohizan’ny tetikasam-pambolena isam-paritra sy ny fifandraisan’ireo mpikamban’ny COI ary ny fifanakalozam-bokatra. Ham­pirisihina ny fampiasam-bolan’ny sehatra tsy miankina sy ny famatsiam-bola eo amin’ny sehatry ny sakafo, ny fanabeazana ary ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Henintsoa

 

Partager sur: