Maro ny ezaka vita sy mbola atao amin’ny sehatry ny fampidiram-bola amin’ny alalan’ny hetra sy ny fadintseranana, ny fanavaozana ny fandaniam-bolam-panjakana, ary ny fanatsarana ny fitantanana sy fandrindrana ny risika ara-bola. Vonona hanome tantsoroka ara-teknikna an’i Madagasikara ny Sampan-draharaha misahana ny fitantanam-bola (FAD) eo anivon’ ny FMI.
Tsy mitsaha-mitotongana ny sandam-bola malagasy. Mbola mihoatra ny 5 000Ar ny sandan’ny euro eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola. Midangana ny vidim-piainana eto Madagasikara. Mitaraina avokoa ny mpanjifa eo ami’ny vidim-bary eto an-toerana izay vidina 4000 Ar ny kilao. Mirefarefa ny toekarem-pirenena ary miandrandra vahaolana maharitra avy amin’ny fihaonamben’ny COI ny rehetra.
Miantraika tamin’ireo mpisehatra tsy ara-dalana ny rafi-pandaminana napetraka nandritra ny fandraisana ny COI. Maro ireo mitaraina ho very vola, nihena ihany koa ny fidiram-bolan’ireo tokantrano indrindra ireo mpivarotra amoron-dalana izay voatery nanaraka ny lamina napetrak’ireo tomponandraikitra.