Naterina avy hatrany eny anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara ireo volamena 25,5 kilao tratra tatsy amin’ny nosy Maorisy ny taona 2019, taorian’ny lanonam-pamerenana izany, teny amin’ny CCI Ivato, nandritra ny fihaonana an-tampon’ny filoham-pirenena sy governemanta eo anivon’ny vaomieran’ny ranomasimbe indianina (COI). Nanolotra ireo volamena ireo tamin’ny filoha Rajoelina Andry ny praiminisitra maorisiana Navinchandra Ramgoolam, « ho porofon’ny firahalahiana eo amin’ny firenena roa tonta », hoy ny fanazavany.
Tsiahivina fa tratra tany Maorisy tamina malagasy telo mianaka ny taona 2019 ireo bolongam-bolamena milanja 25,5 kilao. Saika haondrana antsokosoko any Mumbai sy Dubai ireo volamena ireo. « Tapaka taorian’ny didim-pitsarana maorisianina fa haverina aty Madagasikara ireo volamena ireo, rehefa voaporofo fa naondrana antsokosoko izany », hoy ny tale jeneralin’ny ladoany, Laikana Zafivanona. Mifanohana amin’ny fanatrarana ireo fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena ny nosy mirahavavy amin’ny alalan’ny fampiharana ny fifanarahana fifanampiana ara-pitantanana eo amin’i Madagasikara sy Maorisy. Mipaka izany any amin’ny fifanohanana mandritra ny raharaham-pitsarana. « Fahombiazana ara-diplaomatika sy ara-pitsarana ho an’i Madagasikara ny famerenena ireo volamena ireo, izay vokatry ny fiaraha-miasan’ny sampandraharahan’ny fadintseranana malagasy sy maorisianina ao anatin’ny fifanarahana fifanampiana ara-pitantanana vita sonia ny taona 2018 », hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Henintsoa