Fanatanterahana ny tetikasa Volobe : Manolotra hatramin’ny 700 tapitrisa euros ny orinasa EDF

Manolo-tanana an’i Madagasikara amin’ny fanangananana ireo fotodrafitrasa ho an’ny tetikasa Volobe ny orinasa frantsay EDF. Mahatratra 700 tapitrisa euros ny famatsiam-bola omeny.

Vita sonia teny amin’ny Lapam-panjakana teny Iavoloha, ny alarobia teo, ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny fanjakana frantsay amin’ny alalan’ny orinasa EDF Renouvelables International sy ny tetikasa Volobe. Ta­fiditra ao anatin’ny asa atao ny hananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rian-drano izay manana tanjaka 121 MW. Hamokatra herinaratra hatrany amin’ny 750 GWh isan-taona ny fotodrafitrasa hapetraka ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Ambodilazana, distrikan’i Toamasina II. Olona manodidina ny 2 tapitrisa avy amina tokantrano 360 000 no hahazo tombony amin’izany.
Nanome toky ny hanohana ara-bola ny tetikasa ny filoha frantsay, Emmanuel Ma­cron, nandritra ny fihaonany tamin’ny filoha Rajoelina Andry. Vinavinaina ho manodidina ny 37,5 % ny tetibola ilaina amin’ny fanatanterahana ny tetikasa Volobe ity famatsiam-bola entin’ny EDF ity. Fanampiana ara-bola mitentina 525 hatramin’ny 700 tapitrisa euros. «Hanamafy ny fahafahan’i Madagasikara hisitraka angovo madio sy lovainjafy ho an’ny mponina ny fahaiza-manaon’ny tera­tany frantsay sy ny ezaka ataon’ny firenena», hoy ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny lahateniny. Manao antso avo ny frantsay hampiasa vola eto Madagasikara ihany koa ny filoha noho ny tombontsoa hananan’ny firenena.

Fampandrosoana
Hipaka eo amin’ny sehatry ny toekarena ny tetikasa Volobe satria hiteraka asa mivantana manodidina ny
1 000 sy asa tsy mivantana 1 500. Ankehitriny, mamarana ny fifanarahana ara-bola ireo mpiara-miombon’antoka tohanan’ny IFC avy ny vondron’ny banky iraisam-pirenena ny tetikasa. Mbola manana hatramin’ny 30 jona 2026 kosa ny minisitera hamaranana ny famarana ny famatsiam-bola (bouclage financier). Voalaza fa mitsinjara ho telo ny renivola hampiasaina ao anatin’ny tetikasa. Ka ny 37,5% an’ny NEA Volobe (mpikambana ao amin’ny vondrona Axian), ny 37,5% hafa avy amin’ny orinasa EDF Renouvelables In­ternational raha avy amin’ny Africa 50 kosa ny 25%.

Henintsoa

Partager sur: