Iaraha-mitantana ireo Nosy malagasy, araka ny fanamafisan’ny filoha Frantsay, raha nanontanian’ny mpanao gazety, afakomaly. Nambarany fa hitohy ny dinika eo amin’ny vaomieran’ny firenena roa tonta, ny 30 jona izao any Paris. “Tsy tokony hisy olana izany fihaonana izany. Mirona kokoa amin’ny fiaraha-mitanana ny Iles Eparses izahay”, hoy izy.
Mpitondra fivavahana, Presbytère eo anivon’ny fiangonana Anglikanina ny filoham-pirenen’i Seychelles, i Wavel Ramkalawan. Efa tsy mitondra fiangonana intsony ny tenany fa misahana ny maha filoham-pirenena azy. Anisan’ireo filoha niatrika ny fihaonana an-tampon’ny COI, natao teny Ivato ny tenany.
Niompana amin’ny fitantanam-bola ifotony sy ny fitantanan-draharaham-panjakana ny fampiofanana andiany voalohany ho an’ireo ben’ny Tanàna sy mpanolontsaina ho an’ny faritanin’Antsiranana. Nitarika izany ny kestoran’ny Antenimierandoholona, Eddie Fernand, efa ben’ny Tanànan’Antalaha teo aloha. Nifarana omaly izany fiofanana izany.
Samy naneho ny heviny taorian’ny fahavitan’ny fihaonana an-tampon’ny COI ireo depiote, mpomba ny fitondrana. Nambaran’ny solombavambahoaka, Rafidimanana Desire fa miroso hatrany isika ary samia manao izay vita. Nanamafy izany ny depiote, Ratsivahiny Andry. “Vonona hatrany raha asa ho fampandrosoana ho an’ny mpiara-belona”, hoy izy.