Farihin’i Mantasoa : Telo lahy maty natelin’ny rano

Lehilahy miisa telo izay 19, 22 ary 25 taona niara-namoy ny ainy tao Mantasoa, ny 22 avrily teo. Lakana rendrika no nitarika ny fahafatesan’izy ireo.

Olona telo hita faty tao amin’ny farihin’i Man­tasoa, distrikan’i Man­ja­kandriana, ny alarobia 23 avrily teo. Niara-nitaingina lakana tao amin’io farihy io ny vatan-dehilahy miisa efatra. Nahita lakana an’ny mpanjono nipetraka amoron-drano izy ireo ka nitaingina izany, ny talata 22 avrily. “Efa noraran’ny rainy tsy hitaingin-dakana izy ireo”, hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary. Nisy simba kely tamin’ny vatan’io lakana io ka nitarika ny faharendrehany. Nilentika tanteraka. Tsy nahay nilomano ny roa raha toa ka nahay ny roa namany. Niharan-doza tampoka vokatr’io fahasimban’ny lakana io ireo efa-dahy. Nikoropaka samy nanavotra ny ainy izy ireo kinanjo tsy hita popoka ny telo. Nanomboka ny fikarohana ireo olona natelin’ny rano. “Avotra tamin’io fotoana io ny iray saingy tsy hita ny telo namany”, hoy ny mpitandro filaminana. Nan­droso maizina ny andro ka natsahatra ny fikarohana ary notohizana ny ampitso.

Nampian’ny mpamonjy voina
Nifanampy tamin’ny fikarohana ireo telo lahy ny fokonolona sy ny tomponandraiki-panjakana ao an-toerana. Tsy hita tamin’io talata nisehoan’ny loza io anefa ireo lasan’ny rano. Nitohy ny alarobia 23 avrily maraina ny fikarohana. Nigadona tany an-toerana koa, ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina Antana­narivo. Hita voalohany tamin’izany, ny lehilahy iray tamin’ny 9 ora sy sasany maraina. Nosaritina nivoaka ny rano koa, ny nofo mangatsiakan’ny namany, minitra vitsy taorian’io. Tolakandro tamin’ny 2 ora sy 45 vao hita faty ny fahatelo. Mpamily ny iray tamin’ireo tra-doza. Nentina nihazo ny tanindrazany any Moramanga izy raha toa ka nakarina eto an-dRenivohitra ireo roa lahy. Ankoatra ireo, olona iray koa, hita faty tao Ambodisaina, kaominina Toamasina, omaly. Efa natolotra ny fianakaviany kosa, ireo dimy mianadahy maty tao Mahajanga, afakomaly. Olona sivy araka izany, namoy ny ainy natelin’ny rano tao anatin’ny efatra andro monja.

Tsiferana R.

Partager sur: