Hitondra tombontsoa maro ho an’ny vehivavy mpandraharaha malagasy ny fikaonandohan’ny vehivavy mpandraharaha maneran-tany (Comité Mondial des Femmes Chefs d’Entreprises). «Ahafahan’izy ireo miditra anatina tambazotrana vehivavy mpandraharaha eto an-toerana sy any ivelany. Hampitombo ihany koa ny traikefa sy ny fahalalany ary ny hampivelatra ny eo amin’ny sehatrasany eto an-toerana sy any ivelany izany», hoy ny filohan’ny vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM) sady mpikarakara ny hetsika, Razakaboana Fanja, omaly. Fotoana iray hifandraisan’ ireo vehivavy mpitantanana orinasa avy amina firenena 20 ny hetsika. Araka izany, hifanakalo hevitra sy hitondra ireo fanamby amin’ny fampivoarana ny fandraharahana sy ny toekarena ireo mpandraharaha. Hampiroborobo ny talentan’ny vehivavy sy hanamafisana ny toerana azy ireny eo amin’ny toekarena maneran-tany ny hetsika FCEM. Tsiahivina fa hiompana amin’ny fihariana matanjaka sy iraisana : vehivavy mpandraharaha mampifandray ny avaratra sy atsimo » ny lohahevitry ny hetsika atao ny 28 ka hatramin’ny 30 avrily.
Henintsoa