Fiketrahana Masina ao Vatican : Halevina anio ao Santa Maria Maggiore ny papa Fransoa

Hitodika any Vatican, ny mason’izao tontolo izao amin’ny handevenena ny papa Fransoa. Hotante­rahina anio, amin’ny alalan’ny sorona Masina eo amin’ny kianja Bazilikan’ny Md Piera izany.

Hapetraka ao amin’ny Ba­zilikan’ny “Santa Maria Maggiore”, araka ny efa hafatra napetrany ny nofo mangatsiakany. Ialoha­van’ny eokaristia Masina fitrotroana am-ba­vaka sy fisaorana an’Andriama­nitra izany. Hanao ny lahateny, famaranana aorian’ny fandevenana ny solontenan’ireo ma­han­­tra sy tsy manan-kialofana ary koa ireo mpifindra monina, ani­san’ny noraisin’ny papa Fran­soa, fony fahavelony. Ho tonga any an-toerana koa ireo filoham- panjakana maro ma­neran-tany. Anisan’izany ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron.
Manomboka anio kosa ny sivy andro fisaonana ho an’ny mpino katolika na ny “Novem­diales” ary hifarana ny alahady 4 mey izao izany.
Efa any an-toerana hanotrona ny fandevenana ny kardinaly, ny Mgr Tsarahazana Desiré sy ny filohan’ny Fi­von­dronamben’ny eveka (Fem), ny Mgr Raharilam­boniaina Fabien. Hiatrika avy hatrany ny fihibohana “Conclave” miaraka amin’ireo kardinaly, latsaky ny 80 taona, miisa 135 ny Mgr Tsara­hazana Desiré, afaka herinandro vitsy.

Hifampifidy ireo samy kardinaly
Izy ireo ihany no hifampifidy amin’izay handimby toerana ny papa Fransoa. Anisan’ ny kardinaly zandriny indrindra amin’izany ny Mgr Myckola Bychok, teratany Grika- Okrainiaina. 45 taona ary vao notendrin’ny papa Fransoa ho kardinaly ny volana desambra teo ny tenany.
Tsiahivina fa efa nohidina, omaly alina ny tranovorona misy ny papa Fransoa. Nitarika ny fombafomba tamin’izany ny kardinaly, amerikanina, ny Mgr Kevin Joseph Farell, governora vonjimaikan’ny Ekar “Camerlin­gue”. Mbola izy ihany koa no misahana ny fitantanana ny fanjakan’i Vatican, amin’izao fahabangan-toerana izao.

Synèse R.

Partager sur: