Fivoahana ivelan’ny sekoly : Misy toromarika mila arahin’ny mpitantana

Taorian’ny famoizana aina mpianatra dimy avy amin’ny Lycée Manjakandriana ta­min’ity herinandro ity, tany Mahajanga, nandritra ny fivoahana nokarakarain’ny sekoly. Mampatsiahy ny tomponandraikitra fa efa namoaka naoty ny minisiteran’ny Fanabea­zam-pirenena ny 12 septambra 2024. Momba ny fiahiana ireo mpianatra mandritra ny fivoahana ny faritry ny sekoly, izay karakarain’ny mpitantana manoloana ny loza mety hiseho mandritra izany. Voafaritry ny lalàna manan-kery eto amintsika fa tokony manana fiantohana avokoa ny mpianatra ahafahana manonitra ny niharam-boina ao anatin’ny faritry ny sekoly na mandritra ny fivoahana ivelany miaraka amin’ny sekoly. Voakasika avokoa ny sekoly miankina amin’ny fanjakana sy ireo sekoly miahy tena eto Ma­dagasikara.
Mialoha ny hirosoana amin’ny fitondrana ny mpianatra hanatanteraka fiavohana ivelan’ny faritry ny sekoly, misy antontan-taratasy maromaro ahitana ny fahazoan-dalana avy amin’ny ray aman-dreny manaiky ny hetsika ataon’ny sekoly, taratasy misy ny fiantohana sy ny anaran’ireo rehetra voaantoka, ny lalan’ny zotra arahana mandritra ny fivoahana, taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny ATT raha hampiasa fiara fitaterana mandritra ny fivoahana. Mila taratasy avy amin’ny mpitsabo ny mpianatra tsirairay indrindra ho an’ny dia fibeazana manokana.
Manana safidy ny mpianatra na handeha na hijanona rehefa mikarakara fivoahana ivelan’ny sekoly ny mpitantana ka tsy azon’ny sekoly atao ny manery mivantana na ankolaka ny mpianatra. Ireo sekoly nahazo fahazoan-dalana hisokatra handray mpiantra avy amin’ny minisitera ihany no afaka mitondra mpianatra manatanteraka fivoahana ivelan’ny sekoly.

Vonjy

Partager sur: