Hopitaly Analakininina Toamasina: Miakatra fitsarana izay maka sary atao porofo

Nampahatsiahy ny lalàna laharana faha-2020-006 ao amin’ny andininy faha-7 tamin’ny 1 septambra 2020 ny hopitaly Analakininina Toamasina, mahakasika ny tsy fahazoan-dalana maka sary eny amin’ny hopitaly. Namoaka naoty fampahatsiahivana mihitsy ity hopitaly ity amin’ny fandrarana izany. Tsy azo atao ny maka sary na horonantsary ao amin’ny faritry ny hopitaly na amin’ny alalan’ny finday na fakan-tsary nomerika na fitaovana hafa tsy nahazoana alalana avy amin’ny tomponandraikitra.
Voarara ihany koa ny fampielezana izany eny anivon’ny tambajotra sosialy na sehatra hafa raha tsy misy fanomezan-dalana. Izay rehetra tratra manao izany dia entina eo anatrehan’ny fitsarana. Raha mahita tranga tsy fanarahan-dalàna eny amin’ny hopitaly, araka izany, dia tsy tokony maka sary na horonan­tsary fa manatona ny fitantanan-draharahan’ny hopitaly mitaraina.
Tato ho ato anefa, anisan’ny fitaovana nandaitra tamin’ny fahitana ny tsy rariny teny amin’ny hopitaly ny porofon-tsary alain’ny lasibatra mivantana. Voarara tanteraka anefa izany manomboka izao ao amin’ny hopitaly Analakininina.

Tatiana A

Partager sur: