Karate – Analamanga  : Hanohy ny ezaka hampisongadina ny atleta

Hanokatra ny taom-pikatrohana 2015, ny 3 mey izao, amin’ny alalan’ny “randonnée”, ny eo anivon’ny ligin’­ Analamanga ny taranja karate. Raha ny mahazatra isan-taona, fifaninanana hatrany no nanombohana ny taona, fa amin’ity kosa hiverina andoharano, izany hoe, hanome lanja ny fanabeazana ny ligin’­ Analamanga taranja karate. Izany indrindra no anton’ity hetsika ny 3 mey izao ity, izay hatao any Ambohimanga. Ankoatra izay, hanohy ny ezaka hampisongadina ny atleta avy eto Analamanga, ny ligy, araka ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga ny karate, Rakotomalala Pierrot. Mahakasika ity fanokafana ny taom-pikatrohana ity hatrany, misokatra ho an’ny rehetra ny hetsika izay hanasana ny seksiona 8 mandrafitra ny ligy (Antananarivo Renivohitra, Manjakandriana, Ankazobe, Anjozorobe, Marovatana, An­dramasina, Atsimondrano, Avara­drano). Miantso ireo Klioba, olon-tsotra, federasionina ihany ny ligin’­ Ana­lamanga, hiaraka hanatanteraka ity “randonnée” ity hahafahana mifampitaiza. Hisy fifaninanana toy ny Basikety sy tsipy kanetibe amin’io fotoana io, raha ny fanazavana. Hisy ihany koa ny fanentanana hiarahana amin’ny mpanohana ary hisy vakisaova aorian’izay. Ny 13 sy 14 septambra 2025 no hanaovana ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, ao amin’ny kianja mitafon’­ Ankorondrano.

Mi.Raz

Partager sur: