Vita izy izay ! Manomboka maloto sahady ny tanàna. Efa mahita potika plastika sy fako miparitadritaka eny amin’ny arabe sy ny sisiny. Manomboka misy rano hafahafa mitsika eny rehetra eny, asa efa hanaovan-dry zalahy na zavavy maloto sahady? Tena mahavariana ilay toe-tsaina. Misy dia manao fanahy iniana mihitsy tsy te hahalala ny lamina efa napetraka.
Tsy mba mahafinaritra ireto sarambabem-bahoaka mivezivezy aza ve ny miaina anaty filaminana? Raha manimanitra toa ireo firenena mandroso ny renivohitr’i Madagasikara tao anatin’ny herinandro maromaro, dia efa io sahady fa miverina ilay maha farahidiny. Tia miaina anaty loto ilay mponina amin’ny ankapobeny. Sarotra ny mitaiza ilay toe-tsaina.
Mahavariana ny mijery ireny fanankianana amin’ny asa Tagnamaro ho fanadiovana ireny. Avadika fa “werawera”, hono, kanefa fanabeazana ny olom-pirenena tsirairay mba samy haka ny manandrify azy. Inona no manakana raha mba mandray kifafa manadio. Farafaharatsiny mba tsy mandoto rehefa kamo hitondra ny anjara biriky ihany?
Tena mampalahelo ilay fomba fiaina sy fisaina. Faly mifampitsetsetra sy mifanome-tsiny fa tsy misy tomponandraikitra izany. Toa mahavelom-bolo ny sasany ilay atao hoe resy. Aleo mitazam-potsiny, toy izay ho mpiantsehatra fototra. Aleo matsatso ireo mandray andraikitra, toy izay hifampizara ny adidy ho fanatsarana ilay tanàna.
Vao iray andro no nody ny vahiny dia indreny manao rodobe ny mpandoto. Tsy iza akory fa ireo mpanenjika ny olona maka ny andraikitra manandrify azy. Mila manova toe-tsaina ilay Malagasy raha ny tena marina. Tsy vitan’ny vavabe fa arahina asa izay lazaina. Mila mamerina amin’ny laoniny ny fomba amam-panao, sy ny soa toavina tena Malagasy isika.
Tsy vitavitan’ny mitabataba ny fikolokoloana ity tanàna ity fa mila famitana izay manandrify ny tsirairay. Mitaky fiaraha-mientana amin-kitsipo fa tsy kisaritsarim-pandaminana fotsiny.
r.r