Nanomboka ny volana janoary : Velarana 230 000 ha niadiana sy narovana tamin’ny valala

Nanomboka ny volana janoary lasa teo, hita taratra ny fahatongavan’ny valala ao amin’ny distrikan’ Amboasary Atsimo, faritra Anôsy. Nanaranaka ireo valala ireo ka mbola mitohy amin’izao fotoana izao.

Manome andiana kijeja mitsitokotoko amin’ny faritra ny andiam-balala ka niditra an-tsehatra ny ivontoerana famongorana valala (IFVM) miaraka amin’ny minisiteran’ny Fambolena hiady amin’ny valala. Miara-miasa amin’ny tantsaha sy ny tomponandraikitra eny ifotony izy ireo manomboka eny amin’ny fokontany hatramin’ny distrika. Eo koa ny solombavambahoaka namaly ny antson’ny vahoaka mamono ny kijeja amin’izao fotoana izao. Ahitana ny an­diam-balala ny ao amin’ny kaominina Behara, Tsivory, Maha­ly, Tranomaro, Esira ary Ranobe.
Miitatra amin’ny tapany avaratra sy ireo distrika mifanakaiky toy ny ao amin’ny distri­kan’i Befotaka Atsimo, Vangaindrano, Ihorombe ireo andiam-balala
Nohamafisiny fa vokatry ny doro tanety mahazo vahana any an-toerana sy ny fandripahana ala dia misy lalana vaovao azon’ny andiam-balala handehanana. Lasa miantsinanana izy ireo ka tonga any distrikan’i Taolangaro, ao amin’ny kaominina Manantenona anatin’ny velaran-tany kely ny valala. Nanampy trotraka ny firongatry andiana kijeja koa ny fandalovan’ny rivodoza roa : i Honde sy i Jude, ny volana febroary sy marsa lasa teo. Teo aloha, ny faritra andrefan’ny faritanin’i Toliara no misy valala matetika fa mahalana ho an’ny tapany atsinanana. Miankina amin’ny hamandoana no hisian’izy ireo.
Fomba roa ny famonoana valala miaro ny fambolena sy ny zavamaniry sakafon’ny biby, mampiasana ny fiaramanidina sy ny famonoana an-tanety. 1500 ha ny velarana nisy valala novonoina ka 1460 ha natao tamin’ny fiaramanidina ary 60 ha an-tanety.
Nanomboka ny fiandohan’ny taona ka hatramin’izao, velarana 230 000 ha no niadiana amin’ny valala tamin’ny fiaramanidina ary 8000 ha nandrarahana fanafody an-tanety.
Miara-miasa manatanteraka ny asa famonoana valala miaraka amin’ny IFVM ny FAO sy ny fitaleavam-paritry ny fambolena ao amin’ny faritra Anôsy.

Vonjy

Partager sur: