Olana tamin’ny karama: notsindromin’ilay tovovavy antsy ny mpampiasa azy

Notanana vonjimaika am-ponja any Antsiranana, omaly, ilay tovovavy 19 taona, mpiasa an-trano, rehefa nalaina am-bavany teny anivon’ny fitsarana omaly ihany. Nahavita nanindron’antsy ka nahafaty ny mpampiasa azy (renim-pianakaviana 52 taona) tany Sengaloka Ambilobe, ny harivan’ny 14 avrily lasa teo.
Tonga nilaza ny fahafatesan’ity mpampiasa azy izy ora vitsy taorian’ny tranga. Nolazainy tamin’izany, fa tonga nitsidika ity mpampiasany ity ny sakaizany. Nifamaly tao izy ireo ary efa ny fatin’ilay ramatoa mpampiasa azy no hitany nihosin-dra tamin’ny tany. Notananana nohadihadiana teny anivon’ny biraon’ny zandarimaria tany Antsiranana izy taorian’izay.
Araka ny famotorana nataon’ny zandary azy tany am-piandohana, nolazainy fa maty novonoin’ny sakaizany ihany ity renim-pianakaviana ity. Niaiky ny heloka nataony anefa izy rehefa nihalalina ny fanadihadiana natao taminy. Nambarany tamin’izany fa novonoiny sy notsatohany tamin’ny antsy io mpampiasany io. Noho ny resaka karama ny antony nanaovany izao asa ratsy izao. Nariany tany anaty bozaka avy eo ny antsy sy ny akanjo nihosin-dra nanaovany tamin’ny fotoana nanaovany ny asa ratsiny.

Mino

Partager sur: