Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia ireo ny trano vaovaon’ny Orange Digital Center, etsy amin’ny gara Soarano. Dingana lehibe amin’ny fampidirana sy fanavaozana nomerika eto Madagasikara ny ataon’ny Orange Madagascar. Nanohana talenta malagasy an’arivony teo amin’ny sehatry ny nomerika ny Orange Digital Center Madagascar nanomboka ny taona 2022, teny amin’ny foibeny teny amin’ny La Tour Ankorondrano. Miisa 4 500 ireo nisitraka izany isan-taona. Vehivavy avokoa ny 51% ary tanora eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 24 taona ny 85%. Anisan’ireo nahazo izany i Sayna, ilay tovovavy mpandraharaha namiratra taorian’ny tohana nomen’ny Orange Ventures azy. «Dingana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny nomerika eto Madagasikara ny fanokafana ny Orange Digital Center eto amin’ny gara Soarano. Tetezana ahafahan’ny Malagasy misitraka ny fitaovana nomerika sy manatanteraka ny nofinofiny ity toerana ity», hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord.
Ho an’ny tanora
Miisa 16 ny Orange Digital Centers aty Afrika sy «moyen-orient», fito kosa ao Eoropa. Eto Madagasikara, miitatra any amin’ny faritrany ny finiavana ataon’ny orinasa amin’
alalan’ny Orange Digital Center Clubs izay manampy ny tanora hisitra ny nomerika. Tanora miisa 400 ihany koa no nahita asa taorian’ny hetsika «ZahaGeek» sy ny fifaninana «Poesam» izay nahafahana nampisongadina ny talentany teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Henintsoa