Hanamarika ity faran’ny herinandro ity, ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja rugby “Top 12”. Hiady izany anaram-boninahitra izany ny Cosfa (Bebaoty) sy ny FTM Manjakaray (Dakar). Hanala vela amin’ity ry zareo Manjakaray.
Hifantoka etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra indrindra fa ny mpankafy baolina lavalava, rahampitso alahady. Ho fantatra eo mantsy izay ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny “Top 12”. Hiatrika izany, ny Cosfa (Bebaoty) sy ny FTM Manjakaray (Dakar). Hatrany am-piandohan’ity fihaonana ity, no efa nampoizin’ny rehetra fa ireto ekipa roa ireo no hiatrika ny famaranana. Hangotraka ny fihaonana amin’ity satria hidona ny ekipa anisan’ny sangany sy manana ny fahaiza-manaony indrindra eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao.
Hiaro ny anaram-boninahitra efa eo am-pelantanany amin’ity ny miaramila raha hanala izay vela izay kosa ny Manjakaray.
Efa samy niomana fatratra ny ekipa roa tonta ary vonona handrombaka ny amboara avokoa. Marihina fa samy manana ny tanjany sy ny teknikany ny andaniny sy ny ankilany. Ahitana ireo mpilalao sangany ihany koa ao amin’ireto fileovana roa ireto. Ao amin’ny FTM, ry Lahatra sy Koroka miampy an’i Jean Yves. Ny Cosfa indray tarihin’i Maxim, miampy an’i Ginot sy Hery sy ny namany.
Hiady ary tena hangotraka ny fihaonana ka ho resy izay manao antandrevaka. Araka ny feo mandeha, mety ho mpitsara vahiny no hitantana ny lalao. Na izany aza, ekipa efa avo lenta ireo ka tsy hisy hanohitra ny fanapahan-kevitra eny ambony kianja.
Hiady ny laharana fahatelo, ny Uscar sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Hotanterahina rahampitso ihany koa ny famaranana eo amin’ny D1 vehivavy ka hiatrika izany FTFA Antohomadinika sy ny SCB Besarety. Fihaonana, hangotraka ihany koa satria fileovana anisan’ny mahay amin’izao fotoana izao izy ireo.
Tompondaka