Nifarana ny fanazarantena iraisam-pirenena notanterahina tao Mahajanga « Tulipe 2025 » nandraisan’ny firenena dimy anjara : Madagasikara, Seychelles, Maurice, La Réunion izay naharitra dimy andro izany.
Famintinana ny fandraisana anjara ho an’ireo solontena isaky ny sehatra no nisantarana ny andro famaranana omaly, notarihin’ny lehiben’ny etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo sy ny kaomandy ambonin’ny FAZSOI, ny Jly Jean Marc Giraud. Teo koa ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny tafika Seychelloises sy Maorisianina ary Kaomorianina. Nisongadina tao anatin’ireo lahateny nifandimbiasana fa nizotra araka ny tokony ho izy ity sarinady iraisam-pirenena. Nahafahana nampitovy fijery hanamafisana ny fiarovana aty amin’ny Ranomasimbe Indianina ihany koa ny fanazarantena toy izao. Anisan’ny nahomby indrindra ny fikarakarana ity sarinady ity izay nataon’ireo miaramila miisa 1 500. Nankasitraka ny fandraisana sy ny rindran-damina rehetra nataon’ny Malagasy sy vahiny ny Jly COMSUP FAZSOI, ny Jly Jean Marc Giraud. Nisy koa ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety izay nilazan’izy ireo fa nizotra tsara ny fiaraha-miasa sy fampitana ny vaovao nandritra ny hetsika rehetra. Nandritra ny lanonam-pamaranana no nitondra ny tenin’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, ny Jly lehiben’ny etamazaoron’ireo Tafika niarahaba ny mpandray anjara rehetra nahatontosa ny fanazaran-tena miaraka. Nankasitraka tamin’ny fahavononana hiara-hanamafy ny paikady amin’ny fiarovana aty amin’ny ranomasimbe Indianina sady nirary soa ho an’i La Réunion handray ny andiany manaraka ny MFA.
Jean Claude